ActualitésTatitra

Etats-Unis : Billie Jean King, vehivavy mpilalao « tennis » sangany

Teraka ny 22 novambra 1943 tao Long Beach ao Californie i Billie Jean King. Vehivavy mpilalao Tennis izy ary voasokajy ho isan’ireo sangany teo amin’izany taranja izany. Nilalao irery izy ny taona 1959 hatramin’ny taona 1982 raha ny taona 1990 vao nitsaharana teo amin’ny filalaovana tsiroaroa.

Nahazo anaram-boninahitra 129 i King, anaram-boninahitra nandeha irery tamin’ny Grand Chelem ny 12 tamin’ireo. Niavaka ihany koa izy tamin’ny lalao tsiroaroa vehivavy sy nifangaro. Nahazoany anaram-boninahitra 39 tamin’ny Grand Chelem indray izany. Efa laharana voalohan’ny taranja teo amin’ny sehara iraisam-pirenena ihany koa izy ny taona 1966.

Laisser un commentaire