ActualitésTatitra

Corée du Nord : Nihaiky ny fanatanterahany andrana « missile hypersonique » i Corée du Nord

Nivoady ny hanamafy ny fitaovam-piadiana noklearin’i Corée du Nord ny filoha Kim Jong-Un ny volana janoary teo. Nihaiky izy fa nanatanteraka andrana « missile hypersonique » nantsoina hoe Hwasong-8 ny talata teo ary nanamafy ny masoivoho KCNA fa nahomby izany ary dingana iray lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny teknolojia.Haingana kokoa noho ny « missile balistique » na ny « croisière classique » ny « missile hypersonique ». Sarotra arahina sy sakanana amin’ny rafi-piarovana « antimissile » izy raha ny fanazavana. Tao amin’ny faritr’i Jagang, ao avaratry ny firenena kosa no nanatanterahana ity andrana ity ary tsy nanatrika izany ny filoha Kim Jong-un hoy ny masoivoho KCNA.

Laisser un commentaire