Bekitrobaka: Mandeha tsara ny asa fanamboarana ny gymnase lehibe
Mitohy ny asa fananganana ny gymanse ao Bekitrobaka Antsohihy, na dia ao anatin’ny fahavaratra aza isika. Efa misy ny lamina napetraka mialoha mba aahavitana asa tsara sy manaraka ny fenitra.
« Mandray vita ny fitondram-panjakana vao manefa ny vola. Manao ny ezaka rehetra ahavitany noho izany ireo orinasa misahana ny fanamboarana ny fotodrafitr’asa. Tsy misy vola alefa mialohan’ny fahavitan’ny asa » hoy ny Tompon’andraikitra misahana ny fanamboarana Gymnase manarapenitra ao Bekitrobak‚ Antsohihy. « Ny fandalovan’ny krizy‚ niteraka fiakaran’ny vidin’entana sy vidim-pitaovana maro ilaina amin’ny fananganana fotodrafitr’asa no heverina ho mampikatso sy mampitarazoka ireo fotodrafitr’asa sasany. Marihina fa efa madiva ho vita kosa ny hafa » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy.
Miankina amin’ny fanana eo am-pelatanan’ilay orinasa miandraikitra ny fanamboarana no manafaingana sy mampitarazoka ity asa ity. Efa hita kosa anefa ny fivoarany sy ny fandrosoany ankehitriny.
Nicole Rafalimananjara
