ActualitésTsidika

Anjozorobe : Nampitondraina ny anaran-dRabozaka ny lycée vaovao

Notokanana ny 29 martsa lasa teo ny tsangambato fahatsiarovana ireo mahery fo tao Anjozorobe sy ny lycée vaovao. Nampitondraina ny anaran-dRabozaka ilay lycée.

« Isan’ny mpitolona tao amin’ny kaominina Ambongamarina tamin’ny 1895 i Rabozaka. Niezaka nanohitra ny herim-pamoretana nataon’ny frantsay tamin’izany izy sy ny namany. Rariny loatra raha omem-boninahitra » hoy i Fanjava, mpahay tantara. ”Misy toe-tsaina sy kolontsaina ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ny tolom-pahafahana nataon’ireo mahery fo malagasy. Mendrika ho alain-tahaka tokoa izany » hoy ny talem-paritra misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga, Andriamira Ranoason.

Malagasy nahery fo sahy niady ho an’ny tanindrazana i Rabozaka. Hirariana mba ho betsaka ny toa azy amin’izao taranaka izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire