France : Efa nanakaiky ny 50 000 ny tranga vaovao tao anatin’ny 24 ora
Mirongatra ny valan’aretina ao France, efa mahatratra 49 610 ireo trangana vaovao covid-19 hita tao an-toerana tao anatin’ny 24 ora ny alarobia teo hoy ireo misahana ny fahasalamam-bahoaka ao France. Niakatra 50 000 izany raha ny fanazavana raha 22 000 ny isa ny herinandro lasa teo.Miharatsy nefa izany manoloana ny fisian’ny variant Omicron hoy ny OMS. Tafiakatra 10 588 ihany kosa nahiditra hopitaly ny alatsinaliny sy ny talata teo raha ny tatitr’izy ireo ary 1 886 amin’ireo noho efa tranga misy fahasarotana. Marihina nefa fa efa 77,1% amin’ny mponina ao an-toerana no efa nitsindrona vaksiny fatra voalohany ary 75,5% no efa nahavita vaksiny feno.
