ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisy ny fanolorana foto-drafitr’asa manaraka ny haitao ara-kajy mirindra tao Betsizaraina

Nisy ny fanolorana foto-drafitr’asa, manaraka ny haitao ara-kajy mirindra, tao amin’ny fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely, ny herinandro lasa teo. Tonga nanolotra izany tao an-toerana ny ministra misahana ny fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara_kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Tahiana Razafindramalo.

« Notokanana teto amin’ny biraon’ny fokontany sy ny Akany Betsizaraina ny “wifi gratuit”, izay ahafahanan’ny mponina misitraka internet maimaimpoana. Tao ihany koa no nizarana tamin’ny fomba ofisialy ireo finday sy solosaina mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny biraon’ny fokontany teto an-toerana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Tena ilaina ny fifaneraserana misy amin’izao fotoana ny fitaovana tahaka izao. Manamora ny serasera sy ny fifandraisana izany. Hirariana mba hahavaly ny filàn’ireo izay mampiasa azy tokoa satria ny fandrosoan’ny teknolojia dia mitaky  fampitaovana sy fikarakarana mba hampahomby izany fa tsy haitraitra fotsiny ihany” hoy i Nirina, mponina ao Ambohimangakely.

Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fampandrosoana manaraka ny fampiasana ny teknolojia ao an-toerana, anisan’izany izao fametrahana ny wifi gratuit ao an-toerana izao.

Laisser un commentaire