Valan-javaboahary Ranomafana : Manan-karena harena voajanahary ny toerana
Efa tsy vina amin’ny maro fa toerana manan-karena harena voajanahary i Madagasikara. Ho an’ny valan-javaboary Ranomafana manokana dia manana zava-maniry sy karazam-biby isan-karazany izy izay tsy hita hafa tsy eto amin’ny firenena ihany.
412 km miala an’Antananarivo na 65 km miala an’i Fianarantsoa, ao amin’ny faritra Vatovavy no misy ny Ranomafana. Manana velarantany 41.601 ha rakotra ala mikitroka mando hatrany amin’ny haavo 1400 m izy. Miavaka ny zava-maniry ao aminy, anisany ny ampanga, hazo rofia, orkide, pandanus, volotara… Manana karazam-biby maro ihany koa izy, varika 12, karazam-bibikely 74, karazan-trondro 6, lolo 90, karazana hala 350, karazana « crustacés » 6, biby mandady karazany 58, amfibianina 98, biby mampinono mpihinan-kena 7 , mpihinana bibikely 20 , karazana « chiroptera » 7 toy ny « myzopoda » izay hita eto Madagasikara irery ihany, karazana biby mpikiky 13 ary karazam-borona 115 amin’ireo vorona 257 eto Madagasikara.
Toerana mbola misarika mpizahan-tany maro noho ireo harena ireo i Ranomafana. Toerana tsy hananam-piry izy ka tsara koloina ho lovain-jafy.
Hasina Rasamimanana
