ActualitésTsidika

Fialamboly: Sady miala voly no mianatra rehefa eny amin’ny Croc Farm.

Eny Ivato eny, 3 km miala ny seranam-piaramanidina eny no ahitana ity toerana iray antsoina hoe Croc Farm ity. Toerana iray afaka tsidihina raha te hahazo fahalalana mahakasika ireo biby  sy zava-maniry endemique isan-karazany eto Madagasikara sy mba te hanome fahafinaretana ny maso ihany koa. Natsangana ity toerana iray ity mba hampiroboroboana ny fiarovana ireo biby sy zava-maniry maro isan-karazany rtsy hita raha tsy eto Madagasikara.

Afaka ho hita eny an-toerana ireo karazana voay, varika, tarondro, baobaba sy ireo zava-maniry maro isan-karazany tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Ankoatra ny fahafinaretan’ny maso sy ny sofina amin’ireo feom-biby isan-karazany dia hahafahana mahazo fahalalana mahakasika ireny mampiavaka an’ny Madagasikara ireny ihany koa ny toerana. Raha mitondra ankizy moa dia finaritra mihitsy amin’ny teorana izay malalaka sady ahitana ireny teorana ahafahana milalao ireny misy karazana kilalao maro samihafa.

Ho fikarakarana ny toerana kosa anefa sy ireo zavamanan’aina maro ao aminy dia tsy maimaim-poana ny fidirana. Mila miomana hatrany ho amin’izany. Ahitana toeram-pisakafoanana eny an-toerana ry azo hatao ihany koa ny mitondra sakafo. Tsara ny mba mahafantatra ny mampiavaka ny firenena misy ny tena, azo atao izany amin’ny alalan’ny fitsidihana toerana tahaka izao na dia tsy mandeha any amin’ny faritra aza raha mbola tsy manana fahafahana ny amin’izany.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire