Kolontsaina: Tafiakatra amin’ny dingana famaranana i Anisha ao anatin’ny lalao Star Academy.
Amin’ny 26 novambra izao no hanatanterahana ny lalao famaranana ity Star Academy izay hatao ao France ity. Tafiakatra hiatrika izany lalao izany ihany koa i Anisha ilay tovovavy Malagasy mipetraka ny ivelany ka nandray anjara tamin’izany. Ny fifidianan’ireo mpanaraka amin’ny fahitalavitra no nahatafiakatra ity tovovavy Malagasy ity. Manatalenta ny tanora Malagasy, tokony tsy hatao ambanin-javatra ny mitrandraka izany talenta izany amin’ny ankizy rehetra ho reharehan’ny Madagasikara sy ny Ray aman-dReny rehetra.
