Dépêches

Kolontsaina: Andalam-pamolavolana ny ANAC ny Ministeran’ny Kolontsaina amin’izao

Dépêche 03 mai, 13h, Nankalazaina ny 1 mai teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Nifanindra-dalana atamin’izany dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano Charles Ravaloson ao amin’ny Ivokolo Analakely. Efitrano izay natokana ho an’ny teatra sy ny fampisehoana dihy isan-karazany. Nandritrta izany ihany koa no nanambarana ny famolavolana ny Académie Nationale des Arts et de la Cultures (ANAC). Natao indrindra izany hampiroboroboana ny kanto indrindra ny dihy. Akademia hampiofana sy hampianatra ireo tanora mana-talenta amin’ny mozika sy ny dihy ity akademia iray ho atsangana ity. Hisy ny fifantenana izay tsy maintsy atao amin’ireo mpandray anjara hahafahan’izy ireo miofana ao amin’ny ANAC.

Laisser un commentaire