ActualitésTatitra

Mayotte : Manohana ny hetsika « Wuambushu » ny filankevitry ny departemanta

Mitohy ny hetsika « Wuambushu » izay karaikarain’ny ministeran’ny atitany ao Mayotte. Nanao fanambarana ho an’ny mpanao gazety ny filankevitry ny departemanta ao an-toerana fa manohana ny hetsika ary nanazava ny maha-zava-dehibe an’izany. Raha tsiahivina dia entina hiadiana amin’ny fifindra-monina tsy ara-dalàna sy handravana ireo trano bidonville io hetsika io.

Raha ny tatitra dia antsasaky ny mponina 350 000 ao Mayotte no tsy manana zom-pirenena frantsay. Antony mampitombo ny tsy fananan’asa sy ny mampirondratra ny heloka bevava ao an-toerana raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra. Maro kosa nefa ireo fikambanana manamoloka ny hetsika ary misokajy izany toy ny hesiretra, fankahalana ireo sahirana ary fanitsakitsahana ny zon’ny mpifindra monina.

Laisser un commentaire