World Rugby Sevens Challenger Series: Laharana faha-9 tamin’ny fandraisana anjara voalohany ny Ladies Makis 7s
Dépêche 03 mai, 12h, Tao Afrika Atsimo no nanatanterahana ny World Rugby Sevens Challenger Series 2023 – Stellenbosch 2. Fandraisana anjara voalohany ho an’ny Ladies makis 7s ity natao tao Afrika Atsimo ity. Tsar any vokatra satria dia laharana faha-9 izy ireo nandritra ny lalao. Nandresy an’i Mexique tamin’ny isa 24-00, nandresy an’i Paraguay 12-05 rehefa avy resin’ny mpampiantrano, Afrika Atsimo tamin’ny isa (19-05) sy Thailande (19-07). Niisa 12 ireo Firenena nandray anjara tamin’izany ka I Afrika Atsimo no voahosotra ho mpandresy tamin’ity fifaninanana ity. Efa eto an-toerana ny Ladies Makis 7s amin’izao fotoana izao.
