Ady amin’ny zava-madomelina : Mahatsapa tena ho tompon’andraikitra amin’ireo Tanora toa azy ny Fikambanan’ny Tanora maro
Herinandro vitsivitsy izay dia nanakalazaina be mihitsy ireo karazana zava-mahadomelina isan-karazany. Fantatra tamin’izany fa maro ireo tanora voagejan’izy io. Hamahana izany loza mitatao izany ary dia nisy ny fivoriana teo amin’ireo Fikambanana maro sy ireo Tompon’andraikitra momba ny tanora eo anivon’ny Ministera sy ny Minisitra miahy ny tanora Resampa Haja. Nodinihina nandritra izany ny paik’ady hatao ahafahana miady amin’ny fidorohana io zava-mahadomelina io. Resy lahatra araka izany ireo tanora amina Fikamabanana isan-karazany amin’io ady io.
« Tsy maintsy manolo-tanana ny Ministera izahay satria tanora toa anay ihany no ten voagejan’io zava-mahadomelina io. Efa karazany maro mihitsy amin’izao fotoana ireo raisin’ireo tanora ary mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesan’izy ireo mihitsy izany. Hanampy tosika ny Ministera izahay amin’ireo karazana fanentanana. Ny ady amin’ny fiparitahan’ny rôrô amin’izao fotoana izao no tena himasoana mafy be », hoy ny solontenan’ireo Fikambanan’ny Tanora.
Marihina fa misy ny fitsaboana izay azo hanampiana ireny Tanora ireny raha tena vonona ny hiala izy ireo. Ankoatra izany anefa dia ireo Ray aman-dReny no tompon’andraikitra voalohany ka izy ireo mihitsy no ho entanina betsaka kokoa.
« Ankoatra ny fanentanana ireo Ray aman-dReny dia tsy maintsy hisy ihany koa ny fanentana ny Tanora. Miara-dalana amin’izany ny famongorana ireo mpamatsy ireo tanora io. Ny tena mampatahotra anefa dia misy ireo manome maimaim-pona io rôro io noho ny mety tsy hahefan’ny tanora Malagasy ny vidiny. Iny no fiantombohan’ny fiankinan-doha ka miteraka ny olana isan-krazany », hoy ny fanazavana avy amin’ireo Mpitsabo.
Anisan’ny ady atao ihany koa ny fandrarana ny tanora tsy hanandrana akory ireo zava-mahadomelina malefaka satria izany ihany no fiantombohan’ny filàna be loatra. Asa vadi-drano izy ity ka tsy vita raha tsy hifanakonana ka samia mandray ny andraikittra tandrify azy amin’izany tranga izany.
Miora Raharisolo
