ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mpampianatra namaky tranom-barotra, tratran’ny zandary

Mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina eny amin’ny kaominina Ambohimangakely no saron’ny zandary avy amin’ny brigadin’Ambohimangakely omaly rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Avy namaky toby fitahirizana entam-barotra izy izao tratra izao, niaraka tamin’ny zaza kambana roa lahy, izay nanaovana ombay mitady, araka ny voalaza.

“Tamin’ny 11 ora alina. Hita teo amin’ny dépôt entana iray Ambodivoara fokontany Andranovao izy roalahy kambana; sady misotro jus no asain’ny ramose miandry entana. Nisy namaky ity dépôt ity ka izy ireo no nasain’ny ramose sy ny namany hiandry eo hiambina ireo entana tsy zaka. Marihina fa efa nisy namaky ity etambarotra ity ny volana aprily” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Raha ny hita teo an-toerana, potika avokoa ny fanalahidin’ilay toby fitehirizana entam-barotra miisa 12, nisokatra ihany koa ny varavarana rehetra, niongotra ny tolàna ary zava-pisotro miisa 12 cageots no very ankoatra ireo mbola hita teo amin’ireo ankizy sy izay efa nosotroin’ireto farany” hoy hatrany ny fanazavana.

Nosamborina avy hatrany moa ireo mpampianatra taorian’izany. Mpiray tsikombakomba amin’izy ireo iray hafa ihany koa ny voasambotra. Marihina moa fa ny 22 septambra no nanaovana fikarohana ireo zaza kambana roa lahy izay tsy hita ireto. Ny alin’ny 25 septambra kosa izy ireo izao hita ampiasain’ny mpampianatra amin’ny asa ratsy izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire