ActualitésTatitra

Italie : Olona efatra no maty vokatry ny loza nahazo ny sambo mpitondra mpizaha tany iray

Sambo mpitondra mpizaha-tany iray no nivadika tao amin’ny farihy Majeur, ao avaratr’i Italie. Raha ny fanazavana dia ny fitsokan’ny rivotra nahery dia nahery no nitarika io loza io. Nanazava kosa nefa ny filohan’ny faritra Lombardie, Attilio Fontana fa ny « tourbillon » niforona tao anaty ny rano no nahatonga io loza io.

Manoloana tranga kosa dia olona efatra no namoy ny ainy raha manodidina ny 20 isa no mpandeha tao anatin’ny sambo. Marihana fa vetivety ihany dia tonga ireo mpamonjy voina. Nisy ihany nefa ireo mpandeha nilomano hatreny amorom-parihy. Mponina avy ao Italie sy mpizaha-tany vahiny kosa no tao anatin’ny sambo ary tsiahivina fa ny farihy Majeur dia farihy faharoa lehibe indrindra ao Italie.

Laisser un commentaire