ActualitésTatitra

France : Zavatra tsotra no nohavaozin’i Imène Draredja ho lasa orinasa goavana

Mpamorona ny orinasa « Girls Job » i Imène Draredja. Orinasa manome vahana ny fitadiavan’asan’ny vehivavy. Nianatra tao fakiolten’ny mpitsabo izy, ary manana DUT amin’ny fitantanana orinasa. Sahirana tamin’ny fitadiavana asa nefa izy ka nanomboka nanao karazan’asa an-tselika : mpanentana ara-panatanjahantena, mpandray olona (réceptionniste), sns.

Nararaotiny io olana nosedrainy tamin’ny fitadiavana asa io ka nanangana ny « Girls Job » izy. Mpinamana izy ireo no nivondrona tao amin’io sehatra io tany am-piandohana. Namorona sehatra nifampiresahana sy fanampiana tao amin’ny Facebook izy, nifampizarana tolotr’asa, nanitatra izy taty aoriana rehafa nahita fa maro be ireo vehivavy toa azy ka lasa « startup » ivondronana vehivavy 70 000 maneran-tany ny « Girls Job » ankehitriny.

Laisser un commentaire