ActualitésTsidika

Anosy avaratra : Nahazo ny fampitaovana avy amin’ny INDDL ihany koa

Ankoatra ny kaominina Ankadikely Ilafy, dia anisan’ny nahazo ny fampitaovana avy amin’ny ivon-toerana fitsinjiram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) ihany koa ny kaominina Anosy Avaratra. Tonga tao an-toerana nanolotra izany ho an’ny kaominina ny solotena avy amin’ny INDDL ny alatsinainy teo.

« Ireto fampitaovana ireto moa dia avy amin’ny tetik’asa GUGA (Gouvernance Urbaine du Grand Tana) ary novatsian’ny AFD. Natao indrindra hanafainganana ny tolotra omena ny vahoaka eto amin’ny kaominina sy hanamorana ny fiainan’izy ireo ary hiatrehana ny fitombon’ny mponina» hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny tafiditra ao anatin’io tetik’asa io ihany koa ny drafitra fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpiasa isaky ny service eto amin’ny kaominina (Plan de Renforcement des Capacités). Hisaorana sy hankasitrahana araka izany ireo mpiara miasa rehetra sy ny mpamatsy vola satria hitondra fampandrosoana goavana ho an’ity kaominina ity izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Mitondra fampandrosoana sy fampivoarana ny fampitaovana toy izao, manatsara sy manafaingana ny asa ilain’ny vahoaka ihany koa. Ordinateur complet, impriment, onduleurs ary fitaovana isan-karazany moa no natolotra nandritra izany.

Laisser un commentaire