Dépêches

Antsohihy : Tovolahy 17 taona naiditra am-ponja vonjimaika

Tovolahy 17 taona avy ao Ankaraobato ‚ Kaominina Anjiamangirina no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fandorona tanety 55Ha ny asabotsy lasa teo. Nanamboatra saribao izy ary nihitatra ny afo ka izany no nahatonga ny doro tanety. Marihina fa fitsarana ambaratonga voalohany tao Antsohihy no nampiditra am-ponja ity tovolahy ity.

Laisser un commentaire