ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mitaraina mafy amin’ny afitsoky ny fiara fitateram-bahoaka ny mponina

Mitaraina mafy nohon’ny afitsokin’ny fiara fitanteram-bahoaka ny mponina ao Ambohimanambola. Marihina fa efa an-taonany maro izy ireo no nitaraina saingy mbola tsy nisy ny vahaolana naroso atreto. Namerina ny fitarainany indray ireo mponina nanomboka ny faran’ny herin’andro lasa teo.

« Fa maninona no coopérative iray ihany no miasa eto Ambohimanambola. Tsy manahaka ny Commune Alasora izay misokatra amin’ny coopérative maro. Tsy Ambohimanambola-Ambohijatovo ihany ny akory direction’ny olona. Lasa ohatrany monopolisé ny fitaterana eto amin’ny tanana » hoy i Tolotra mponina ao Ambohimanambola. « Tena ilaina ilay zotra maro mampitohy tanana hafa indrindra amin’izao fiakaran’ny frais izao mba hialana amin’ny fifindrana bus matetika satria efa hitany ao anaty vilany izany no sady miantoka ny fivoaran’ny tanana » hoy ihany koa ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina. « Miankina tanteraka amin’ny fitanteram-bahoaka ny fiainan’ireo mponina, ny fianarana, ny fitadiavam-bola sy ny maro hafa » hoy i Valisoa mpianatra majakasika ny fiaraha-monina.

Miangavy ireto mponina ny mbahahazo valuin-teny mahafantram-po manoloana ny fangatahan’izy ireo.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire