ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisy ny fanolorana galona an’ireo polisy kaominaly

Tontosa tamin’ny alatsinainy ny fametrahana galona ireo polisy kaominaly tsy mbola nahazo izany. Mitohy hatrany ny fametrahana ny fandaminana ao Ambohimangakely.

« Dingana lehibe eo amin’ireo polisy kaominaly tokoa ny galona tahaka izao. Ho marika mandrakariva fa miasa ho an’ny tanàna izy ary hampandry ny fahalemana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. « Voninanhitra ho anay tokoa ny toy izao. Hiezaka hatrany hanaja sy hanatontosa ny asa nankinina taminay. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary hampandry fahalemana no tanjona » hoy ireo polisy kaominaly.

Isan’ny sakana mbola tsy mampandroso antsika tokoa ny tsy fametrahana fandaminana. Ny fiaraha-mientana sy ny fifanampiana amintsika samy isika no tena zava-dehibe indrindra hiadiana amin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire