Indonésie : Voarara ny firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ao an-toerana
Voararan’ny lalàna ny firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana ao Indonésie. Nankatoavin’ny parlemanta ny 6 desambra teo ny volavolan-dalàna manameloka izany. Voarakitra ao amin’io lahatsoratra io fa mety hampigadra hatramin’ny heritaona ny fiarahana amin’ny olona ivelan’ny fanambadiana sy ny fiarahan’ny olona roa tsy mbola vita fisoratam-panambadiana mipetraka.
Miteraka fihetsiketsehana tao Djakarta nefa io lalàna vaovao io, tsy ankatoavin’ireo mpiaro ny zon’olombelona izany. Endrika fihemoran’ny fahalalahana sy fironana amin’ny « fondamentalisme » izany hoy izy ireo. Nanazava kosa ny mpitondra tenin’ny komity tompon’andraikitr’io tetikasa io avy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana fa fitandrovana ny rafitry ny fanambadiana no tanjon’io fanavaozana io.
