Ambohimanambola: Manao tombana mahakasika ny asa vita sy fomba fiasa ny kaominina
Amin’izao volana famaranana ny taona 2022 izao, manao tombana mahakasika ny fomba fiasa eo anivon’ny kaominina ireo tomponandraikitra misahana ny kaominina Ambohimanambola, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany no handraisan’izy ireo ny fanamarihana, ny lakolosy, ny kiana, ny soson-kevitra, ny fisaorana momba ny asa vita sy ny fomba fiasan’izy ireo, raha ny voalaza.
“Taratra ho an’ny kaominina iray ny fananana mpiara-miasa mahafehy ny asany sy manome fahafaha-po ny vahoaka ato anatin’ny kaominina. Noho izany indrindra no hanomezana sehatra sy fotoana malalaka an’ny mponina, hilaza izay tiany ambara mahakasika ny fomba fiasa amin’ny lafiny rehetra, izay hitany eto” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Zava-dehibe ny fanaovana tombana anatin’ny fitantanan-draharaha na rafitra iray. Hanentanana ny rehetra mihitsy ny fandraisana anjara amin’izany mba hahafantarana ny hevitra sy ny zavatra andrasana amin’ny mpitondra na ny mpitantana azy” hoy I Minosoa, tanora mpandraharaha.
Fotoana malalaka hanehoan-kevitra ny tombana. Azo atao ao avokoa na ny tombana ratsy na ny tombana tsara. Zava-dehibe tokoa ny fanatanterahana izany mba hahafahana mahafantatra ny mety sy ny tsy mety anaty rafitra ary indrindra hanitsiana ireo tsy nety. Amin’ny 15 Desambra moa no hiafaran’izany tombana izany.
Manitra Ramanantsoa
