ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Laharam-pahamehana ny fanentanana ny mponina amin’ny fanodinana fako

Mitohy hatrany ny fanentanana amin’ny resaka fikajiana ny fahadiovana sy ny fitantanana ny fako ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny servisy Raoka fako moa no miandraikitra izany sehatra iray izany ao an-toerana. Tsy ny fikajiana ny fahadiovana ihany fa laharam-pahamehana ihany koa ny fanodinana ny fako ho an’ity rafitra ity.

“Miseho amin’ny endrika rehetra ny fanentanana ny fitantanana ny fako eto amin’ny kaominina. Amin’izao fotoana dia misy ny fifaninana karakarain’ny servisy ka ao anatin’izany afaka maneho amin’ny fomba rehetra hitantanana ny fako sy fanajana fahadiovana ny mpandray anjara” hoy ireo tomponandraikitra.

“Azo aseho amin’ny endrika rehetra ny fikajiana fahadiovana ary ny fako dia afaka avadika ho akora fototra amin’ny vokatra hafa. Misy ireo mahavita manamboatra asa tanana amin’ny alalan’ireo fonosana plastika. Eo ihany koa ireo mampiasa ny tavoahangy ratsy amin’ny zavatra hafa mahasoa” hoy i Tsilavina, mpandrary.

Anisan’ny zava-dehibe ary tena ilaina ny fanentanana ny mponina amin’ny fanodinana fako. Ilaina mihitsy  ny manome fampianarana na fanofanana manokana momba izany. Izay no hita ho vahaolana maharitra no sady fampidiram-bola no mampihena ny fandaniana ho an’ny rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire