Tandindomin-doza ny eny amin’ny faritra avo.
Misy foana ny voina miseho rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Miteraka fihotsahan’ny tany sy ny trano matetika ny habetsaky ny ranon’orana tahaka izao. Na eo aza ny fanentanana ataon’ny tompon’andraikitra mba hialan’ny olona eny amin’ny faritra tandindomin-doza, tsy manana fahafahana hiala amin’ny tranony ny ankabeazan’ny olona rehetra. Sahirana amin’ny fivelomana sy tsy mahita trano hivantanana ny hafa. Raha tsiahivina, efa maro ny fianakavina niharan-doza teny amin’ny fokotany Manjakamiadana sy ny manodidina. Olona amam-polony no efa nodimandry sy naratra mafy vokatry ny fianjeran’ny trano sy fihotsahan’ny tany. Mety ahiana indray io tranga io raha toa ka tsy mitandrina ny mponina eny an-toerana. Ny alahady lasa teo ohatra, vehivavy iray no niharan-doza teny amin’ny fokotany Manjakamiadana, ao Antsahondra. Nianjera tamin’ny trano hazo iray ny trano iray andalam-pahanavaozana. Voatsindry tao ity renim-pianakaviana iray izay mipetraka ao amin’ilay trano hazo. Tsy nisy ny aina nafoy na teo aza izany fa noentina teny amin’ny toeram-pitsaboana izy. Tokony ho mailo hatrany ny olona eny amin’ny manodidina eny, tsy eo amin’io toerana io ihany fa fokotany maromaro izay ahiana avokoa amin’ny loza tahaka izao. Mila mijery vahaolana haingana ny tompon’andraikitra amin’ny famindrana ireo olona ireo mba hisorohana ny mety ho loza mahatsiravina.
Fanilo Rarivoarilala
