Ny fampianarana ampitain-davitra : Tokony hanamora ny fanovozampahalalàna.
Oniversite misehatra eo amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny CNTEMad, na “Centre Nationale de Télé-Enseignement Madagasikara “.Taona maro lasa izay, efa maro ireo nivoaka teo amin’ity sampam-pampianarana ity. Maro ireo lalam-piofanana azo arahina ao. Mamoaka ny mari-pahaizana ambony “Licence” sy “master” ity fianarana ity. Manatanteraka fanadinana indroa isan-taona ao anatin’ny taom-pianarana iray izy. Raha ho an’ny taona 2020-2021 manokana, na teo aza ny fihibohana sy ny valan’aretina, nahavita nahatanteraka ny fanadinana fiodinana voalohany ihany ny mpianatra ny volana novambra 2020 lasa teo. Ankehitriny anefa, nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny mpianatra sy ny tompon’andraikitra noho ny fahataran’ny valim-panadinana. Anisan’ny mampitaraina ny mpianatra ny fahateren’ny fotoana hanaovana famerenana ho an’ireo taranja tsy nahafahana. Atao ny volana martsa izao mantsy ny fihodinana faharoa amin’ny fanadinana mandritra ity taom-pianarana ity. Mangataka marimaritra iraisana amin’ny tompon’andraikitra ny solotenan’ny mpianatra mba hamahana ny olan’izy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
