ActualitésTatitra

France : Lehilahy iray no nahapataka tsy nahy ny tendany tamin’ny « disqueuse »

Lehilahy iray 65 taona no nanatontosa fanamboarana tao amin’ny trano fonenany tao Taillecavat, Gironde. Teo am-pikirakirana « disqueuse » iray nefa izy no nahapataka tsy nahy ny tendany. Votsotra avy hatrany teny amin’ny tanana moa io fitaovana io ka mbola nahadidy azy indray.

Rehefa nahare ny hikiakanyny vadin’io lehilahy io dia niantso ny mpamonjy voina avy hatrany. Nandrapaha tonga azy tao amin’ny toeram-pitsaboana iray ao Monségur nefa dia namoy ny ainy io raim-pianavakiana io. Raha ny fantatra dia nijanona ny fony (arrêt cardiaque) saingy mbola mangataka fizahana kosa ny mpitsabo ny SMUR hamaritana ny tena antony nitarika ny fahafatesana.

Laisser un commentaire