Nosy be: fitsidiana nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian
Nitsidika ny Nosy be ny praiminisitra Ntsay Christian ny Sabotsy 8 mey teo. Nijery ifotony ny asa fotodrafitra ho amin’ny fampandrosoana, niresaka mikasika ny fiainam-bahoaka ary ny fandriam-pahalemana izy. Fantatra fa nisy fiatraikany tamin’ny fiainam-bahoaka ny nanakatonana ny disitrikan’I Nosy be sy ny fampiatona ny sidina avy any ivelany. Arak’izany, hisy ny fizarana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny olona tena marefo tany an-toerana hoy Ntsay Christian. Vola 50 000 Ariary isam-bolana no entina manampy ireo olona tena marefo amin’ny alalan’ny tetik’asa FID. Fianakaviana miisa 2559 no hisitraka izany. Ny fizahan-tany no seha-piariana voalohany any an-toerana; noho izany dia nahato ihany koa ny fandoavan-ketra ho an’ny sehatr’asa rehetra miandray amin’ny fizahan-tany.
Mampionontsoa Rajaonson
