ActualitésTsidika

Mahajanga : Lehilahy sady mpanolana no mpanindrona antsy vehivavy no tra-tehaky ny polisy

Lehilahy mpanolana no sady mpanindrona antsy vehivavy ao Mahajanga no tra-tehaky ny polisy ny faran’ny herinandro teo. Milaza mahita asa ho an’ireo tovovavy mipetraka ao Mahajanga ity lehilahy ity. Rehefa tafaresaka amin’ ireo tovovavy izy dia hainy ny mandresy lahatra azy ireo. Tereny hanao firaisana ara-nofo aminy ihany koa ireo izay tratrany ka raha mamaly azy dia tsindroniny amin’ny antsy ny tendan’ilay olona. Fitoriana miisa telo moa no azo mahakasika ity olon-dratsy ity ary izy izao azon’ny mpitandro filaminana izao ny farany.

« Maro loatra ireo olon-dratsy ary maro ihany koa ireo mitory tsy misy porofo anefa ny asanay amin’ny maha mpitandro filaminana anay dia tsy mino raha tsy mahita porofo ka somary nanano sarotra ihany ny raraha tahak’izao » hoy ireo mpitandro filaminana. « Efa in-betsaka izy no nilaza fa nahitasa ho ahy ary ny farany dia nanaiky aho satria nila asa kanjo tafalatsaka tanteraka tamin’ny fandrika izay nataony ary faly ankehitriny fa efa misitraka ny sazy sahaza azy ihany koa izy nanoalana ireo herisetra nataony taminay » hoy i Voahirana anisan’ireo vehivavy voaholana.

Ny ratsy tsy kely làla ka mila mitandrina hatrany. Mihezaka manao hatrany ny asany moa ireo mpitandro filaminana ary mitady vahaolana hatrany manoloana ny trangan-javatra toy izao.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire