Tontolo iainana: Natsangana ny “cellule de crise” hiadiana amin’ny doro ala sy ny doro tanety.
Misesisesy mihitsy ny tranga na doro tanety teto Madagasikara tao anatin’ny fotoana fohy izay. Misy olona manao fanahy iniana mandoro ilay izy ary saika nanerana ny Nosy dia nahenoana tranga avokoa. Na tao anatin’ny faritra arovana izany na eny amin’ny faritra hafa eny.
Nantanteraka fivoriana ny tao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ka natsangana tamin’izany ny “cellule de crise” izay hiady amin’ity tranga ity. Hitady sy hamotopototra ireo nahavanon-doza ary hiaro ireo ala mbola tsy tratran’ny afo no hatao amin’izany.
“Noho ny hafainganan’ny fampitam-baovao sy ny vokatra vetivety amin’ny fomba fiasan’ny Cellule de crise, ary ny rindran-damina izay tarihan’ny Governoram-paritra dia efa misy ny tratra amin’ireo mpandoro tanety tao Manatantely, Kaominina Soanierana Taolagnaro”, hoy ny Governoran’ny Faritra Bongolava.
“Samy tompon’andraikitra sy manana andraikitra amin’ny tontolo iainana ny mponina rehetra ka izany no antony hifandrimbonanay amin’ireo mpiasam-panjakana ireo mamono afo eto amin’ity toerana ity, toeram-pivelomanay ihany koa ity toerana nisy nandoro ity ka rariny izahay raha sarotiny ary iray tamin’ireto mponina eto ireto ihany no nampita ny vaovao tany amin’ireo tompon’andraikitra ireo ka nahatratrana ity nahavanon-doza ity”, hoy i Martine, mponina ao Manatantely.
Fantatra hatreto fa olona iray izao tratra izao ary voamarina fa nanao ny doro ala izy ary mbola karohina fatratra ankehitriny ireo namany. Tsy misy afatsy ny fiaraha-miasa hatrany no mampahomby ny asa hatao eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina rehetra eny ka mila hampidirina ho tompon’andraikitra avokoa ny mponina rehetra hatramin’ny ankizy.
Miora Raharisolo
