Russie : Iakoutsk, tanàna mangatsiaka indrindra eran’izao tontolo izao
Tanàna iray ao Russie misy mponina manodidina ny 300 000 eo i Iakoutsk. Voafidy ho tanàna mangatsiaka indrindra eran-tany ivelan’ny Antarctique sy Groenland io toerana io. Mahatratra -40°C ny maripana ao amin’io tanàna io amin’ny fotoan’ny ririnina ary efa nahatratra -64°C izany raha ny tatitrin’ny mpakasary Steeve Iuncker nandritra ny fivahinianana tao an-toerana, nanatontosainy ny tetikasany nitondra ny lohateny hoe « Villes extrêmes ».
Amin’ny fotoana mafana, mandritra ny volana jolay kosa nefa ao an-toerana dia miakatra ambony ny maripana izay mahatratra hatramin’ny 30°C. Tanàna lehibe indrindra miorina eo amin’ny « pergélisol continu » (faritra mangatsiaka mandry maharitra) i Iakoutsk. Manoloana izany dia miorina ambony simenitra matevina ny trano ao an-toerana.
