Antananarivo : Mikasa hanao fitokonana ireo fiarakaretsaka
28 Martsa, 11h00. Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpitondra fiarakaretsaka (taxi) eto Antananarivo renivohitra ny sabotsy 26 marsa 2022 teo fa mety hiroso amin’ny fitokonana faobe raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny Taxi moto. Manome 12 andro ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo manoloana izany handraisana fepetra mikasika ireo taxi moto ireo.
