Vita sonia teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny tetik’asa SAHOFIKA
16 Novambra, 09h53. Notanterahina ny 15 novambra 2021 tety amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fanaovan-tsonia ny tetik’asa SAHOFIKA. Ity tetik’asa ity dia fiaraha-miasan’ny ministeran’ny Angovo sy ny Construim NEHO, izay entina hamatsiana angovo izay hita fa tsy mahavaly ny filan’ny mpanjifa ankehitriny. Marihana fa any amin’ny faritra Vakinankaratra no tanterahina ny tetik’asa ka angovo mahatratra 192 MW ka hatramin’ny 300 MM no ezahina tratrarina amin’ny famitana toha-drano.
