Tetikasa Miatrika Covid : Mampitohy hatrany ny fampiofanana arak’asa
Manoloana izao valan’aretina izao indrindra no hisian’ny faharavana maro eo amin’ny sehatry ny asa rehetra. Misy amin’ireo karazan’asa ireo no sarotra vao miharina nohon’ny fatiantoka nandritran’izay herintaona niarahana tamin’ny valan’aretina izay teto Madagasikara. Anisan’izany ny tontolon’ny fitaterana sy ny fizahantany, izay lasibatra voalohany indrindra nohon’ny fikatonana manerana ny faritra. Vokatr’izany indrindra no tokony hisian’ny fampiofanana arak’asa, indrindra fa ny fizahantany mba tsy hisian’ny fanarenana be loatra eo amin’io sehatra io rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hiverenany amin’ny laoniny. Manan-danja ny fampiofanana arak’asa mba hampitomboana ihany koa ny lentan’ny sehatry ny fizahantany. Niatomboka tamin’ny volana janoary lasa teo araka izany ny tetikasa Miatrika covid. Noforonina io tetik’asa io mba hanampiana ny seham-pihariana miisa 15. Namolavola izany ny banky iraisam-pirenena, ny fandaharanasa Pole Integrée de Croissance (PIC), ary ny minisiteran’ny fizahantany sy ny fitaterana. Efa nisy ny dingana voalohany tamin’ny fanomezana fampihofanana ireo mpisehatra ao amin’ny tontolon’ny fizahantany, ny trano fisakafoana, ny mpitarika sy mpikarakara mpizahantany, ny mpampanofa fiara. Tanjon’ny mpikarakara ny hitohizan’ny hetsika mandritra ity taona 2021 ity na mbola manjavozavo aza ny ho avin’ny fizahantany. Kendrena ny hanomezana fampihofanana mpiasa miisa 10 000 amin’ireo fiofanan’asa miisa 500. Tsy ny sehatry ny fizahantany irery ihany fa tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny fianarana teny vahiny, ny fandraharahana, ny fitantanana orinasa, ny informatika,ary ny fambolena. Natao ho an’ireo olona manana fikasana hiova asa sy fihariana izany.
Fanilo Rarivoarilala
