SportTsidika

Hiala ao amin’ny GF38 i Jérôme Mombris

Handao ny Grenoble Foot i Jérôme Mombris tamin’ny alalan’ny fifanarahana nataony sy ny GF38 izay mifarana ny 30 jona 2022. Efa taom-pilalaovana telo izay no niarahan’izy ireo niasa ka izao hifarana izao amin’izay. « Mpialalao tato amin’ny klioba nandritra ny fizaran-taona telo i Mombris ary nilalao 105 be izao nandritra izany raha ny fiandohan’ny taom-pilalaovana 2018-2019 izy no tonga teto volaohany » hoy ny solontenan’ny klioba GF38.

« Nahafinaritra ny niaraka taminy noho izy mahay mampifaly rehefa ao amin’ny efitrano fisoloana akanjo » hoy ireo namany tao amin’ny Klioba. « Malalaka amin’ny lalao handraisan’i Madagasikara anjara izy raha izany ka ho fanantenana lehibe ho antsika izany mandritra ny lalao iraisam-pirenena » hoy i Tolotra, mpakafy baolina kitra. 33 taona i Jérôme Mombris amin’izao fotoana izao raha teraka ny 27 novambra 1987 tany Saint-Brieuc, France. Avy any La Réunion ny rainy ary manana rasy Malagasy kosa ny reniny avy amin’ny raibeny. Efa nanomboka ny 11 novambra 2017 izy no nanatevina ny ekipam-pirenena Malagasy tamin’ny lalao ara-piralahiana tamin’ny Comores izay nahazo isa 1 noho 1.

Hirariana ho lasa lavitra hatrany izy mba hitondra voninahitra hatrany ny firenentsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire