Nosy Varika: Tsy mbola nisitraka fanampiana ireo vahoaka, raikitra ny fitokonana
Nitokona ireo vahoaka tra-boina ao Nosy Varika ny alin’ny alakamisy 17 febroary teo noho izy ireo bola tsy nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana hatramin’izao. Novakian’ireo mpitokona ny fitehirizana ireo vary ho an’ny tra-boina any an-toerana ka poa-basy no setriny. « Tsy mahafaly anay mihitsy ny fanomezana fanampiana kiantranoantrano. Noana izahay ary tena voa mafy kanefa tsy mbola nisy fanampiana mihitsy » hoy ireo mponina any Nosy Varika. « Tsy mbola nisy poa-basy toy izao teto Nosy Varika hatramin’izay. Vary 64 taonina no nomena kanefa tsy mbola nahazo izahay. Ireo olona akaiky amin’ny tompon’andraikitra ihany no nahazo izany » hoy hatrany ireo vahoaka any an-toerana. Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena noho izany ireo vahoaka.
