SocialTsidika

Fananganana orinasa : Ahoana no fomba atao hahitana hevitra ?

Voalohany aloha, mila mandinika ny zava-misy, izany hoe manara-baovao, mijery ny tontolo ara-toekarena na koa sosialy. Manara-maso ny fivoaran’ny filàn’ny mpanjifa. Mila mamolavola hevitra ihany koa, na koa hoe manangana vina.

Ny zavatra vaovao tsy mbola misy mpanao dia manan-danja kokoa ho an’ny mpanjifa. Maharitra kokoa ny orinasa rehefa sarotra alain-tahaka ny vokatra varotany, lafo vidy kokoa ny entana miavaka sy tsy misy mitovy aminy. Ny vokatra dia tokony vahaolana mamaha olana, ny asan’ny mpandraharaha manko dia mamantatra ny olana manodidina azy.

Raha toa ka tsy tena matanjaka ny fototra iorenanao, nefa ny fanao dia mamela anao hamorona zavatra iray, dia ny fomba hanatanterahana ny fahaiza-manaonao rehefa manokatra ny orinasa ianao. Mety hahakasika ny lafiny fitsaboana izany : famokarana orinasa. Ohatra koa ny famoronana ny firavaka sasany mahaliana, ny fametahana. Zany hoe ny zava-drehetra izay afaka manavaka azy eo anivon’ireo mpifaninana.

Zava-dehibe ny fahaiza-mamorona amin’izao vaninandro iainantsika izao mba hiavahana amin’ny besinimaro, ny fandraharahana mantsy dia fantatra fa andry iankinan’ny fandrosoan’ny firenena iray.

Murielle Andrianasoloniaina

Laisser un commentaire