Canada : Taratasy sandoka ampolony maro manamarina ny “coronavirus négatif” saron’ny manam-pahefana
Taratasy sandoka am-polony maro no saron’ny manam-pahefana tamin’ny sisintanin’i Canada ny alahady 28 martsa. Raha araka ny lalàna, tsy afaka mivoaka ny firenena ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimonkaretina covid-19, ary misy ny taratasy manamarina izany. Nilaza ho salama tsara avokoa ireo olona nitondra ireo taratasy sandoka hivoaka an’i Canada ireo. Mahavoasazy ary tena enjahan’ny lalàna mihitsy ny fanaovana taratasy hosoka hoy ny manam-pahefana ao an-toerana tamina fampitam-baovao elektronika nataony. Mampigadra ary mety andoavana sazy manodidina ny 750 000 dolara (3 000 000 000 ariary) mihitsy izay tratra manao izany hoy hatrany izy nampitandrina. Sarotra hoy ny manam-pahefana ao Canada ny hamerenana indray ireo olona nanao taratasy sandoka. Izy ireo izay efa lasa herinandro maromaro talohan’ny nahafantarana ny toe-draharaha. Na izany aza, efa miezaka ny manao ny fitiliana avokoa ireo mponina ao Canada amin’izao fotoana. Fitiliana izay tsy maintsy atao raha toa ka manapa-kevitra ny hivoaka ny firenena.
