Dépêches

Namoy mpiara-miasa ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy

01 Desambra, 09h30. Nodimandry teo amin’ny faha 36 taonany i Chef Lova Harena RAKOTO izay Injenieran’ny Rano sy ny Ala ary lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Ala tao Boeny-Betsiboka. Ny 29 novambra no nanao veloma azy farany teny Nanisana ny fianakaviamben’ny MEDD notarihin’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy niaraka tamin’ny Minisitra Lefitra Misahana ny Fandrakofana Ala eo anivon’ny MEDD. Notolorana mari-pankasitrahana noho ireo soa rehetra vitany teo anivon’ny MEDD sy ho an’ny Tontolo Iainana ny tenany tamin’izany.

Laisser un commentaire