ActualitésLalana sy FifamoivoizanaTsidika

Lalana sy fifamoivoizana: Nihamaro ny fanendahana sy ny herisetra tato ho ato

Te hanaitra  ny tomponandraikitra fa tena mampatahotra, ary mampihori-koditra ny mieritreritra sy mahita ny fitantarana amin’ny tambajotran-tserasera tato ho ato mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy vitan’ny eny amin’ny fiaraha-monina, eny an-tanàna, eny an-dalana intsony izy ity fa efa tonga hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka.

Efa maro ireo tranga niseho, misy misandoka fotsiny tsotra izao, tahaka ireo mpandeha rehetra ihany izy ireo, ary tsy ampoizina, misy indray ireo mody misaron-tsarona anaty akanjo be, ny afenina ao anefa dia zava-maranitra enti-mandrahona ny mpandeha. Ary miandahy miambavy ireo mpanendaka anaty fiara fitateram-bahoaka.

Mitaintana ny olona, tsy misy tany azo aleha ampilaminana intsony, hoy ny sasany. Ny antso avo atao dia ny fanairana ny tomponandraikitra. Andraikitra lehibe tokony raisin’ny mpitandro filaminana ny fanaraha-maso anaty fiara fitateram-bahoaka ary ny vahoaka dia manana zo ho arovana manoloana ny tsy rariny. Ankoatra izay, tokony henjanina ny sazy sy ny fampiharana ny lalàna, mahakasika ny vono, ny halatra sy ny fisandohana isan-karazany, satria izany ihany koa dia anisan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao.

Laisser un commentaire