ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Fitaovan-tserasera tsy lefy laza ny peta-drindrina

Na dia efa ao anatin’ny fotoana mampivelatra ny teknolojia sy ny fanatotoloana aza isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, anisan’ny fitaovan-tserasera tsy lefy laza ary ampiasaina indrindra eny anivon’ireo kaominina ambanivohitra ny fampiasana ny peta-drindrina na ny afisy.  Ho an’ny kaominina Ambohimanambola manokana, anisan’ny fitaovana fampitam-baovao vetivety, mahomby sy azo atonka raha hampita vaovao ho an’ny mponina, eny anivon’ny fokontany.

« Mbola anisan’ny kaominina ambanivohitra ny kaominina Ambohimanambola, ary ny ankamaroan’ireo fokontany mandrafitra azy dia mbola miaina sy mivelona amin’ny seha-pihariana fototra avokoa. Tsy mbola tafiditra tanteraka any anatin’ny fampiasana ny teknolojia ny mponina fa mampiasa kosa anefa izy ireo ny haino aman-jery raha hanara-baovao. Raha vaovao mahakasika ny fampahafantarana hetsika na asa fampandrosoana na vaovao maika kosa dia mbola ny peta-drindrina no fampitam-baovao vetivety indrindra » hoy ny tomponandraikitry ny fokontany.

« Raha jerena ny mahakasika ny fampiasana ny teknolojia eto Madagsikara, mbola ny 10,9% amin’ny mponina hatreto no mampiasa ny tamba-jotran-tserasera. Tsy ireo mponina rehetra no manana fahafahana hampiasa ny teknolojia. Ilaina hatrany ny mamelona ireo fitaovan-tserasera tranainy hahafahana manome fahalalalana ho an’ny hafa » hoy i Miora, mpianatra momba ny serasera.

Tsy ny olon-drehetra no manana fahafahana hampiasa ny tambajotran-tserasera. Hita tokoa amin’izao fotoana izao ny fahalalahan’ny tamba-jotran-tserasera, indrindra ny facebook, amin’ny fampitana vaovao samihafa. Efa voafehy ve anefa ny fampiasana azy io ho an’ny Malagasy ?

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire