Alasora: Miezaka amin’ny asa fampandrosoana ny kaominina
Misy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny kaominina Alasora amin’ny resaka asa fampandrosoana, toa ny eo amin’ny lafin’ny fanadiovana, sy ny fanentanana ny mponina hikajy ny fahadiovan’ny tanàna. Manomboka amin’ny 8 ora maraina dia efa hita ireo tomponandraikitra misahana ny fanalana ny fako sy ireo miasa amin’ny foto-drafitr’asan’ny kaominina, mirotsaka an-tsehatra amin’izany asa atao eny anivon’ny kaominina izany.
« Anisan’ny ezaka tsy maintsy tanterahina isanandro ny fanangonana sy fitaterana ireo fako eny amin’ireo fokontany. Efa misy ny lamina napetraka amin’ny fanatanterahana izany eo amin’ny ora sy fotoana hakana sy hitaterana ny fako » hoy ireo tompon’andraikitra misahana ny fahadiovana.
« Ilaina dia ilaina ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Efa misy hatrany ny fanentanana ny mponina ao anatin’ny kaominina Alasora mahakasika ny fako sy ny fahadiovana, indrindra ny eo amin’ny fanavahana ny fako, izay ezaka manokana mbola ampianarina ny mponina, hahafahana manodina sy mampiasa ny fako indray amin’ny zavatra hafa » hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina.
Manana anjara ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fampandrosoana ny faritra iray. Tsy tokony hiandry fanentanana anefa ao anatin’izany fa tokony samy hahatsapa tena ary tsy hiandry ny hafa amin’ny fampandraisana andraikitra samihafa, izay anisan’ny mampitarazoka sy mampihisatra ny asa fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
