Ankadimbahoaka – By-Pass : Efa misokatra ny lalana
Tapitra ny 10 andro nanamboarana ny lalana mampitohy an’ny « rond-point » ankadimbahoaka sy By- pas. Nidina teny an-toerana ny Minisiteran’ny Asa vaventy nijery akaiky ny fanamboarana. Betsaka ny lalana amboarina eto Antananarivo ary efa an-dalam-panamboarana izany ny minisitera tomponandraikitra. Raha ho an’ny lalana mampitohy an ‘Ankadimbahoaka sy By-Pass ity dia efa azo lazaina fa efa vita tanteraka saingy kosa mbola misy ny tokony vitaina tsara mba hateza. « Ny lalana mampitohy an’Ankadimbahoaka sy By-pass: efa mamarana ny asa izay namboarina tao anatin’ny 10 andro ny orinasa Magic ary hisokatra androany hariva io ampahan-dalana io », hoy Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah, Minisitry ny Asa Vaventy.
Hentitra ny ministera amin’ny fikojakojana ny lalana mba hateza.Betsaka ny lalana eo amin-tsika no potika vokatrin’ny tsy fanajana azy ireny. Nefa ny endrikin’ny sy firafitrin’ny fanamboarana mihitsy no tokony jerena aloha. Misy hamboarina dia afaka 5 volana dia simba indray. Misy araka izany ny fandraisana andraikitra mivantana avy amin’ny minisitera. « Hentitra ny Minisitera amin’ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fenitra ireo asa izay tanterahina satria fotodrafitrasa maharitra no omena hampiasainy vahoaka Malagasy. Noho izany, dia manentana antsika rehetra hikajy sy hanaja hatrany ireo fotodrafitrasa momba ny lalana ny Minisitra ary nanamafy fa tsy azo atao intsony ny manasa sy manamboatra fiara eny amin’ny lalam-pirenena noho izy ireny mamotika ny tara amin’ny arabe. » hoy hatrany ny fanazavana.
Miankina amin’ny olom-pirenena tsirairay ny fampandrosoana ny tanàna. Ny fahatsiarovan-tena ny tsirairay no andrasana. Raha te hanana foto-drafitrasa maharitra sy tsara di ailaina ny fanajana izany. Tsy ekena ny fanimbana ny fananana iombonana. Tokony samy ho entitra amin’ny fitandrovana izany fananana iombonana izany ny olomp-pirenena tsirairay. Etsy ankilany, tokony ho hentitra sy hanaramaso hatrany ny minisitera. Tsara ary raha misy mihitsy ny fampianarana ireo mpampiasa lalana ( Taxibe, ny mpitarika posy, ny fiara lehibe mpitatitra entana.
Erwan RAN
