ActualitésTatitra

France : Voaheloka higadra 4 taona ilay lehilahy nandoro ny katedraly tao Nantes

Raha tsiahiviana dia may ny volana jolay 2020 ny katedraly « Saint-Pierre et Saint-Paul » tao Nantes. Voavonon’ireo mpamono afo vetivety ihany afo tamin’izany fotoana saingy nandrava zavatra maro toy ny « orgue » tao amin’ny fiangonana sy ny « rosace » lehibe tao an-toerana ilay loza.

Lehilahy iray antsoina hoe Emmanuel Abayisenga kosa no voarohirohy amin’io raharaha io. « Sacristain » avy ao Rwanda nanolo-tena ho an’io fiangonana io izy ary nilaza fa nandrehatra afo ny 18 jolay 2020, niaiky nefa izy fa nanomboka tsy voafehy ny afo ka niteraka ny fahamaizan’ny katedraly.

Manoloana izany dia notsaraina noho ny fanimbana fananan’ny hafa i Emmanuel Abayisenga ary voaheloka higadra 4 taona an-tranomaizina. Tsy mahazo mitoetra ao Loire-Atlantique mandritra ny 5 taona ihany koa ny tenany. Etsy ankilany dia mbola ho tsaraina noho ny raharaha famonoana pretra tao Vendée ihany koa io lehilahy io.

Laisser un commentaire