Ambohimangakely : Raim-pianakaviana iray maty notsatohan’ny vadiny antsy
Ny alin’ny alarobia ifoha alakamisy no nitrangana famonoana nandatsahana ain’olona tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina Ambohimangakely. Vehivavy iray no nanindrona antsy ny vadiny taorian’ny fifamalina nisy teo amin’izy ireo. Maty tsy tra-drano ilay rangahy taorian’ny nitondrana azy teny amin’ny hopitaly.
« Efa malaza amin’ny ady mivady izy ireo ary efa matetika no misy fikasihan-tanana eo amin’izy ireo rehefa miady. Efa nampoizina ihany hoe hiafarana amin’ny loza ny fifamaliana saingy tampoka kosa ny niseho tamin’ity indray mitoraka ity » hoy Rija, mponina ao Mangarivotra.
« Be loatra ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana miseho eny anivon’ny fokontany. Efa misy anefa ny rafitra napetraka eny anivon’ny fokontany mandamina sy manara-maso ny tranga miseho eny amin’ny fiaraha-monina. Andraikitry ny kartie mobile ao amin’ny fokontany no mirotsaka an-tsehatra raha vao misy ny fampandrenesana na korontany eny amin’ny fiaraha-monina » hoy i Laza, mpianatra mahakasika ny fiaraha-monina.
Fandraisana andraikitra tokony hataon’ny fiaraha-monina araka izany ny fiantsoana ny quartier mobile, mpandamina ady sy mpandrindra ny filaminana eny ifotony. Mbola mipetraka eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ve anefa izay rafitra izay?
Manitra Ramanantsoa
