ActualitésTsidika

Kaominina Alasora: Hisitraka ny tetikasam-pampadrosoana Rindra

 Anisan’ny hisitraka ny tetikasa RINDRA na Fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny kaominina Alasora. Nisy ny fitsidihana ny ben’ny tanàna tao an-toerana nataon’ireo solo-tena avy amin’ny PNUD avy any Afrika Atsimo.

“Fotoana tokony hihetsehan’ny kaominina sy hanararaotana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa entina hanatsarana sy hampivoarana ny kaominina izao fanomezana amin’ny tetikasa izao. Tsy tokony hisy intsony ny kiandriandry fa manantena ny fiasan’ireo tomponandraikitra mahefa satria fotoana tokony hanararaotana tokoa izao” hoy Antsa mpianatra momba ny fitantanana.

“Anisan’ny andrasana amin’ny izao tetikasa izao ny fampivoarana eo amin’ny lalan-kely, famahana ny olana eny amin’ny toha-drano sy ny PME satria raha vao voavaha ireo dia anisan’ny hanavotra tanora tsy hanasa maro, izay no tena andrasana satria any no tena ipoiran’ny fandrosoana raha eto amin’ny kaominina Alasora” hoy Roger, mpanao asa tena.

Taratry ny fampandrosoana tokoa ny fahazoana fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana tetikasa avy any ivelany. Hampiroborobo sy hanitatra ny kaominina Alasora tokoa ny fanantontosana izany izay andrasana fatratra ny fanombohany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire