Rivodoza : Vinavinaina hiditra rahampitso ny rivodoza EMNATI
21 Febroary, 13h00. Any amin’ny manodidina ny 503 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Toamasina no nisy ny foiben’i EMNATI. 165 Km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 230 Km/ora. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 09 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry sy Farafangana rahampitso tolakandro izy amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical Intense” na Rivodoza Mahery Vaika (180Km/ora). Hamakivaky ny afovoan-tany i EMNATI aorian’izay ary vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana (Ampanihy) ny Alarobia. Tafiditra ao anaty faritra mavo mavo i Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, Mangoro, Manjakandriana ary Andramasina Miloko maitso kosa i Alaotra, Anjozorobe, Antananarivo avaradrano, Antananarivo atsimondrano, Antananarivo renivohitra, Ambohidratrimo, Itasy, Menabe, Atsimo andrefana ary Androy. Mety hatanjaka kokoa noho ilay rivodoza BATSIRAI farany teo i EMNATI ka ahiana havesatra ny takaitra havelany. Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Entaina ihany koa ny mpamiasa ranomasina tsy hiandriaka.
