Andapa: Mpihavana nifamono, ny iray namoy ny ainy, ny iray hafa naiditra am-ponja
21 Febroary, 12h00. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fifamaliana tao amina fianakaviana iray tao Besahogno Andapa. Lehilahy iray tao amin’ny fianakaviana no niezaka nandamina ny ady saingy voatsatoka antsy ka maty tsy tra-drano. Nitsoaka ny nahavanon-doza vao nahita ity raim-pianakaviana nitsirara kanefa voasambotry ny polisy ihany. Efa nampidirina am-ponja ny tenany amin’izao fotoana izao.
