Anosy : Efa mandroso ny asa fananganana ny tsena
Mandroso ny asa fananganana ny tsena ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Anosy. Tsena misy rihana 4 no hita eny Anosy ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana mivarotra eny Anosy hatreny Anosibe. “75%n’ny asa fanorenana ny tsena be Anosy no efa vita ankehitriny. Tanjona ny hananana tanàna madio, manara-dalàna sy mandroso” hoy ny ben’ny tananan’Antananarivo, Andriatsitohaina Naina. “Tena manery làlana mihitsy ireo mpivarotra amoron-dalana. Sahirana amin’ny fivezivezena izahay mpandeha tongotra. Raha voahitsaka anefa ny entan’izy ireo dia tsy manaiky izy. Tsara mihitsy ny vahaolana tahaka izao” hoy i Murielle, tanora monina eny amin’ny manodidina an’Anosy. Tokony hanana ny tsenany tokoa ny mpivarotra tsirairay raha ny fenitra iraisam-pirenena no jerena. Rehefa mirona kokoa amin’ny fanarahana ny fenitra isika dia vetivety dia handroso.
Nicole Rafalimananjara
