Famatsiana herinaratra: Nandatsahana orana artifisialy indray i Andekaleka.
Dépêche 05 décembre, 13h50, Noho ny tsy fahampian’ny rano manosika ny herinaratra izay foronin’ireo toby indrindra fa ny ao Andekaleka dia tsy maintsy ampiana tosika ihany koa izany rano izany ka izay indrindra no antony nandatsahana orana artifisialy teny antoerana. Ampy ny fepetra amin’ny rahona ilaina hanaovana ny orana ka efa notanterahina izany hamahana ny olana famatsiana herinaratra eto amin’ny faritra Antananarivo. Antenaina hitondra vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro lavareny tao ho ao izany vahaolana notadiavina izany.
