ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny fifaninanana dihy

Ankoatra ny fifaninana mozika dia hisy koa ny fifaninanana dihy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hankalazana ny fetim-pirenena ireo hetsika ireo izay karakarain’ny kaominina.

« Hetsika maro no ho hita ny 25 sy 26 jona 2022 eto amin’ny kaominina. Tongava misoratra anarana ety amin’ny birao mialohan’ny 20 Jona raha te handray anjara amin’ny fifaninana dihy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Efa ela aho no tia mandihy. Ny fifaninana toy izao no ahafahako mivelatra hatrany manaraka ny talentako. Tena handray anjara amin’ity dihy ity aho » hoy ny tanora iray avy ao Ambohimanambola.

Samy mikarakara hetsika hankalazana ny fetim-pirenena tokoa ny kaominina tsirairay eto Avaradrano. Ao ny fampisehoana izay hampifaliana ny mponina, ao kosa ireo hetsika handraisan’ny mponina anjara mihitsy.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire